- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFenoarivo Atsinanana : Raharaha fanapahana filahiana : amin’ny 26 febroary ny fitsarana

Fenoarivo Atsinanana : Raharaha fanapahana filahiana : amin’ny 26 febroary ny fitsarana

Ny zoma 08 desambra teo no niakatra fampanoavana amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Fenerivo atsinanana ny raharaha Rasolo Lanona Cleteau. Raha ny tantara dia tovolahy 27 taona no tapaka filahiana, tao amin’ny kaominina Sahalava, distrikan’i Fenerivo atsinanana, ny alin’ny 16 novambra nifoha ny 17 novambra.

Raha ny fantatra dia olona telo no notorin’ny fianakavian’ity tovolahy ity, nahitana ny vadiny sy ny rafozambaviny ary ny rafilahiny. Nandritra io fiakarana fampanoavana io dia noafahan’ny fitsarana vonjy maika avokoa izy telo mianaka ireto, nefa fantatra fa ny alatsinainy 26 febroary 2024 ho avy izao ny fotoam-pitsarana ny raharaha, hoy ny fitsarana ao Fenerivo atsinanana. Ny nahagaga tamin’ity raharaha ity dia ny 26 novambra no nitranga izany, nefa ny 08 desambra teo vao nivoaka ny “certificate medical” nangatahin’ny niharam-boina. Nahatsapa ny fianakavian’i Cléteau fa voarirarira teo anivon’ny hopitaly tao fenerivo atsinanana izy ireo tamin’ny fahazoana ilay “certificat”, ary nolazaina tamin’izany fa manerana ny nosy ny tsy fahazoana manome izany teo anivon’ny ministeran’ny fahalamam-bahoaka. Raha ny fantatra dia tsy nahazo fisamborana sy ny fihazonana vonjy maika teny amin’ny mpitandro ny filaminana izy telo mianaka. Ny alatsinainy 11 desambra no nentina teto Toamasina i Cléteau nanohizana ny fanarahana ny fitsaboana azy, nefa hatramin’izao dia mbola marary mafy. Raha ny fantatra mantsy dia mamary rà i Cléteau. Ny harivan’ny talata 12 desambra raha nentina teny amin’ny hopitaly be dia nanao ampamoaka ny tenany, ka nambara toy izao: « Ny alin’ny alakamisy 16 novambra io vao avy nisakafo hariva aho dia nanomboka nalemy ka tafatory aloha be ny tenako; raha ny fahafantarako azy dia nisy nanisy fanafody ny sakafoko. Nisy tany novidian’izy mivady, tadiaviny hosoratana aminy, ka nanomboka tamin’izay ny disadisa teo amin’izy roa. Ankoatra izay ny fahasarom-piaron-dramatoa. Araka ny fanazavana nentin’i Cléteau sy ny rainy dia tsy marina velively ny filazana fa i Cléteau ihany no nanapaka ny filahiany. Aminay dia notapahina ary naterina tany anaty ala i Cléteau, ary mody niantsoana fokonolona avy eo, nofafana ny rà tao an-trano sy ny manodidina. Nambaran’i Cléteau tamin’ny fitondrana teo anivon’ny hopitaly be Toamasina hoe :  « nomen’ny vadiko vatomamy nisy zavatra hafahafa somary masirasira aho, tamin’ny fotoana nitsidihany ahy teny amin’ny hopitaly Fenerivo atsinanana, ka narorako tamin’ny tany.”

Nanomboka teo dia tsy ekeny mamangy azy intsony ny vadiny sy ny havam-badiny. Ho hita eo ny tohin’ny raharaha, indrindra fa mandritra ny fotoam-pitsarana afaka roa volana.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici