Lehilahy iray sahabo ho 50 taona eo no maty nihosin-drà, afak’omaly, notapahin’ny jiolahy ny lohany ary bory tanteraka ny teo amin’ny tendany. Araka ny vaovao voaray, dia teo am-pikarakarana sy am-panaovana lasantsy jirofo ity raim-pianakaviana ity no novonoin’ireo tsy mataho-tody, tao Marovato III, any amin’ny kaominina ambanivohitra Ambodimangabe, distrikan’i Fenoarivo Atsinanana. Raha ny fantatra, tsy naka na inona na inona ireo olon-dratsy, satria mbola hita tao amin’ny fitoeran’entana namonoana an’ity rangahy mpandraharaha ity ny lasantsin-jirofo 15 litatra sy ireo entana ary fitaovana rehetra nampiasainy. Efa misokatra moa ny fanadihadiana lalina ataon’ny mpitandro filaminana, ka ho hita eo ny tena marina mahakasika an’ ity vono olona nahatsiravina tamin’ny fomba feno habibiana ity.
Eric Manitrisa