Nitrangana hain-trano mahatsiravina tany Fenoarivo Atsinanana antampo-tanana, teo akaikin’ny fiantsonan’ny taxibrouse, ny faran’ny herinandro teo. Araka ny vaovao voaray dia nahatratra 50 tafo teo no indray kilan’ny afo. Raha ny fantatra hatrany, dia niainga tamina trano hazo iray, izay mpivarotra masikita no nahatonga ny loza. Voalazan’ireo mponina avy any amin’iny toerana iny fa, tsy maty tsara ny afon’ity mpivarotra ity, kanefa nitsoka mafy dia mafy ihany ny rivotra,ka nitarika izao fahavoazana goavana izao. Tafakatra an-tapitrisany maro ny zavatra potika tamin’ity hain-trano ity ary fianakaviana nahatratra 359 no traboina sy tsy manan-kialofana. Mila fitandremana araka izany ny famonoana ireny afon-tsaribao ireny, indrindra fa amin’izao andro somary maina sy mandrivotra izao, hisorohana ny loza toa izao.
m.L