Nitrangana hain-trano nahatsiravina indray tao an-tampon-tanànan’i Fenoarivo Atsinanana, renivohitry ny Faritra Analanjiro, afak’omaly alina, tokony tamin’ny fito ora sy sasany, ka trano miisa enina no may kila forehitry ny afo, tao amin’ny Fokontany Ampasipotsy « parcelle 7 », ary lasa lavenona avokoa ny entana rehetra mitentina an-tapitrisan’ny maro. Raha tsiahivina, dia trano niisa efatra no hotohoton’ny afo, ny narain’ny 11 janoary lasa teo, tokony ho tamin’ny dimy ora, tao amin’ny Fokontany Mahavelokely (ampitan’i dépôt des médicaments). Noho ny fahatapahan-jiro lava dia voatery mampiasa labozia sy jiro « pétrole » ny olona, ka matetika mitera-doza izany vokatry ny tsy fitandremana misy amin’izao vanin’andro mafana izao, raha araka ny tati-baovao voaray avy any an-toerana.
Eric Manitrisa