- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversFenoarivo : “Dadabe mpanolana”, nalefa eny Tsiafahy

Fenoarivo : “Dadabe mpanolana”, nalefa eny Tsiafahy

Nampidirina am-ponja avy hatrany rehefa avy nohenoin’ireo mpitsara mpanao famotorana ilay lehilahy voarohirohy ho nanolana sy namono ankizivavy kely teny Fenoarivo.

Tsy nisy alaharo alaharo fa avy hatrany dia Tsiafahy. Natolotra ny Fampanoavana omaly ilay rangahy 43 taona, voarohirohy ho nanolana sy namono ilay ankizivavy kely vao 9 taona monja teny Fenoarivo. Araka ny fanampahan-kevitr’ireo mpitsara mpanao famotorana, dia nalefa eny amin’ny Fonjaben’i Tsiafahy avy hatrany ity rangahy ity; izay tsy iza fa ny anadahin-drenin’ny renin’ilay zazavavy. Eny aloha izany ity “dadabe mpanolana” ity no maka saina, miandry ny fotoam-pitsarana azy.

Raha tsiahivina kely ity raharaha it, dia hita faty tao anatina tanàna iray, izay ambenan’ity lehilahy ity , ny zoma hariva lasa teo, ny zazavavy kely, 9 taona. Tsy hita raha iny nirava avy nianatra iny ity farany mantsy, ka rafitra nitady azy ireo fokonolona sy ny zandary. Tamin’izany no nilazana fa nantsoin’ilay “raibeny” ho any aminy izy. Nidina avy hatrany teny an-toerana ny zandary sy ireo fianakaviana,  ka teo nahitana ity ankizivavy kely, efa mitsirara sy tsy misy akanjo intsony tamina efitra iray tao amin’ilay tranobe. Ny fizahana nataon’ireo mpitsabo no nahafantarana fa avy naolana ity ankizivavy mpianatra amina EPP eny an-toerana ity. Ary tsy vitan’izay, fa mbola nahitana faritra mangana ihany koa teo amin’ny vavany sy ny tendany. Izany herisetra nahazo azy izany no nitarika ny fahatesany raha ny nambara hatrany.

Omaly no notanterahina ny fandevenana ity ankizivavy kely voatery nandao ny tany sahady , noho ny hetraketraky ny fiainana ity teny Ambohidrazana Fenoarivo ihany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici