Fatin-dehilahy iray no hitan’ny olona tao amin’ny reniranon’Andromba, eny Alakamisy Fenoarivo, omaly tokony ho tany amin’ny 10 ora tany ho any. Olona sendra nandalo no nahita ny razana. Tonga dia niparitaka ny vaovao ary vetivety dia nitangorona ny mponina. Nisy ny nampandre ny mpitandro filaminana sy ny avy ao amin’ny fokontany. Rehefa tafakatra teny an-tanety ny razana dia hita fa efa manomboka ho simba. Nifatotra ireny sachet ireny ny lohany hatreo amin’ny tendany. Ny tombatombana no ilazana fa ankevitry ny nosemporina tamin’io zavatra io ilay olona ary rehefa maty dia natsipy tany anaty rano. Araka izany dia nisy namono izy. Ny dokotera tonga nizaha ny razana no nilaza fa efa teo amin’ny roa na telo andro teo no natsipy tany an-drenirano ny razana. Tsy nisy nahafantatra azy ny olona teny an-teerana. Etsy andaniny, efa simba ihany koa ny endriny. Ny soratra tamin’ny ankanjo nanaovany hoe Tafika Malagasy no nilazan’ny olona fa mety ho miaramila izy io. Efa mandeha ny fanadihadiana amin’izao fotoana izao ahafantarana ny marina mikasika ity razana hita ity.
r.s.