Olona telo no naratra mafy, vokatry ny fivadihana fiara tsy mataho-dalana iray teny amin’iny lalan’i Fenoarivo iny, omaly maraina. Raha ny angom-baovao voaray dia fiara eo anivon’ny prezidansa izy ity. Nandeha mafy fa hoe maika hamonjy fifaninanana ara-panatanjahantena. Malama ny lalana amin’izao fotoam-pahavaratra izao, ary angamba noho izany indrindra no nahazo ity fiara tsy mataho-dalana ity. Tsy voatan’ny sôfera intsony mantsy ny familiana ka dia nivoaka ny lalana ilay fiara. Tamin’izay fotoana izay no nisy mpandeha an-tongotra nandalo, ka voafaokan’ilay fiara. Niezaka nanarina ny familiana ihany ilay nitondra saingy tsy avotra ka dia mbola nidona teny amin’ny andrin-jiro indray nony avy eo. Ary namarana ny lalany tamin’ny fivadihana. Ny mpamily sy olona iray hafa no tao anaty fiara, izay samy naratra mafy avokoa. Toraka izany ihany koa ilay olona voadonan’ny fiara. Samy efa nentina haingana tany amin’iny toeram-pitsaboana avokoa ireto olona niharan-doza ireto. Ary efa samy nahazo ny fitsaboana sahaza azy. Tonga teny an-toerana moa ireo mpitandro filaminana misahana iny faritra iny, nijery ifotony ny zava-nisy.
m.L