- Publicité SW45 -
jeudi, juillet 4, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFenoarivo : Fifaninana nitondra kalesa namono olona

Fenoarivo : Fifaninana nitondra kalesa namono olona

Tandrifin-drahoana ny fifaninana mitondra kalesa, nandritra iny fankalazan’ny fetin’ny fahaleovan-tena iny tetsy Alakamisy Fenoarivo. Zazalahy 16 taona no namoy ny ainy, raha voafaokan’ny fiara ny kalesa nentiny. Naratra mafy ity farany ary noezahina nentina novonjena tamin’ny tobim-pahasalamana, saingy indrisy fa tsy tana intsony ny ainy, noho ny ratra nahazo azy. Araka ny fantatra dia efa fanao isan-taona ity fifaninana mitondra kalesa ity eny an-toerana, ary tanterahana ao anatin’ny fankalazan’ny fetim-pirenena, entina hamalifaliana ireo ankizy teny an-toerana. Ary eny amin’ny arabe, amin’iny lalam-pirenena voalohany iny no tanterahana izany fifaninana izany. Ny mampalahelo, hoy ireo mponina, dia tokony ho andraikitry  ny mpikarakara ny handray fepetra, hampilaza mialoha ireo fiara tsy maintsy hifamezivezy eny an-toerana, na hanisy arofanina ny toerana hanaovana ny lalao, hialàna amin’ny tranga mampidi-doza tahaka izao. Marihina fa tsy nisy an’izay teny an-toerana tamin’io fotoana io ka izao niteraka famoizana aina izao. Efa tonga teny an-toerana nijery ny zava-nisy ary nanokatra ny fanadihadiana mahakasika ity tranga ity moa ireo tompon’andraikitry ny filaminana teny an-toerana.

Nangonin’i m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici