- Publicité SW45 -
samedi, juillet 27, 2024
AccueilFaits-DiversFenoarivo : Lehilahy maty an-drano naka foza orana

Fenoarivo : Lehilahy maty an-drano naka foza orana

R.Joseph lehilahy 50 taona  no maty an-drano ny 12 febroary  antoandro teo,  tany amin’ ny fokontany Soavinimerina, niaraka amin’ ny zanany vavikely enina taona ity rangahy ity tamin’ izany .  Naka irony biby mandady antsoina hoe foza orana irony, izay hentina amidy eny an-tsena sy hohanina mba hatao laoka.

Tsy fantatra marina anefa izay nahazo ity lehilahy ity  fa zaza moa no niaraka taminy ka ohatry ny hoe nibolisatra ny fitantarany , ratsy fianjera tamin’ izany, tao anty bizo iray tao amin’ ilay hoe vodin-drano moa no nitrangan’ izany . Tonga tany an-toerana ireto tompon andraikitra tany an-toerana ka nanao izay alanenina rehetra nefa tsy tana ny ain’ ity farany.  Efa nomena ny fianakaviana  ny razana ary mbola hanentanana antsika rehetra ihany ny resaka rano io amin’ izao fotoam-pahavaratra izao fa tena mahery dia mahery tokoa ary na rano tsy dia lalina aza dia mety hitera-doza ao anatin’ ny indray mipi-maso monja raha tsy mitandrina.

ALEM

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser