- Publicité -
dimanche, juillet 13, 2025
AccueilFaits-DiversFenoarivo : Lehilahy maty nihinana poizim-boalavo

Fenoarivo : Lehilahy maty nihinana poizim-boalavo

Lehilahy iray 22 taona no hita faty tao an-trano teny amin’ny fokontany Benasandratra eny Fenoarivo Atsimondrano. Ny faha-11 aogositra tokony ho tamin’ny 7 ora maraina no nahatsikaritra ny olona manodidina fa tsy nivoaka toy ny fanaony isa-maraina ity olona ity. Teo anoloan’izany, novahana ny trano nisy azy ka io izy efa tsy misy aina intsony hitan’ny mponina. Avy hatrany moa dia nampadrenesina ny zandary izay tonga teny an-toerana niaraka tamin’ny dokotera nizaha ny razana. Taorian’ny fitiliana nataon’ity farany no nilazany fa nihinana poizim-boalavo no nahafaty azy. Mpiandry trano no raharahan’ity namoy ny ainy ity. Efa mandeha ny fanadihadiana ary ny zandary avy eny Fenoarivo no msiahana izany.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici