Ny herinandro lasa teo, lehilahy iray no hita faty tao an-tranony, tao amin’ny fokontany Ambatomanaja, kaominina Androhibe, Fenoarivo. Raha ny tatitry ny zandary azo, dia nisy namono tao an-tranony tao ity rangahy ity. Tamin’io andro io mantsy dia nisy nampilaza ny zandary tao amin’ny borigady Fenoarivo fa misy vono olona nitranga tany amin’io toerana io. Talohan’ny nahafatesany tokoa mantsy dia ren’ny manodidina nifamaly taman’olona ity lehilahy ity. Nahery vaika tokoa izany satria niafara tamin’ny fikasihan-tanana ilay fifamaliana ary dia io niafara tamin’ny fahatesana io. Nidina avy hatrany teny an-toerana ireo tompon’andraikitry ny filaminana, niaraka tamin’ny mpitsabo taorian’io nijery ifotony ny zava-nisy. Efa vatana mangatsiaka tokoa no hita tao amin’ity tokantrano iray ity. Nahitàna ratra teo amin’ny valahan’ity rangahy hita faty. Torak’izay ihany teo amin’ny lohany, izay azo noeritreretina ho nitarika ny fahafatesany. Olona fantatra teny amin’iny manodidina ihany no voalaza fa tompon’antoka tamin’ity vono olona mahatsiravina ity. Tsy niandry ela ireo zandary fa avy hatrany dia niroso tamin’ny fisamborana. Notanana avy hatrany sy natao andrimaso tany amin’ny biraon’ny zandary moa ity olona nahavanon-doza ity, miatrika ny famotorana azy.
m.L