- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversFenoarivo : Lozam-pifamoivoizana, namoy ny ainy i Dr Tsinjo ao amin’ny CUA

Fenoarivo : Lozam-pifamoivoizana, namoy ny ainy i Dr Tsinjo ao amin’ny CUA

Nindaosin’ny fahatesana tampoka, tao anatin’ny lozam-pifamoivoiza, i Dr Tsinjo, Filohan’ny Symkar (Syndikan’ny mpiasan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra), teny Fenoarivo, omaly. Tafisitrika tao ambany fiarabe iray ny fiara nentiny. Maty tsy tra-drano ny lehilahy. Nandriaka ny rà teny amin’iny lalam-pirenena voalohany iny, teny Alakamisy Fenoarivo, manakaiky ny sampanana hiditra mankany Vontovorona. Tokony ho tamin’ny roa maraina tany ho any, avy niasa ary handeha hamonjy fodiana ity Filohan’ny Symkar ity no sendra izao loza izao. Mafy dia mafy ny fifandonana, izay nanaitra ireo mponina teny amin’ny manodidina. Tsy fantatra mazava izay tena antony nahatonga ny fifandonana. Torimaso fotsy sa olana ara-teknika teo amin’ny fiara ? Efa ilay fiara kely nidofotra tamina kamiô « semi-remorque » nijanona teo amin’ny sisin-dalana no hitan’ny rehetra, sy ny rà nandriaka nitsotsorika avy tao. Potika tanteraka ilay fiara kely. Na izany aza, nifamonjen’ireo fokonolona teny an-toerana, niampy ireo tompon’andriakitry ny filaminana, ny olona tao anatiny, araka ny fitantaran’ireo nanatri-maso. Noezahina nentina tany amin’ny toeram-pitsaboana, saingy indrisy fa efa tsy tana intsony ny ainy. Teo amin’ny lohany mantsy no voa mafy, araka ny fanazavàna azo hatrany.  Fantatry ny maro teo amin’ny resaka fiadiana ny zon’ny mpiasa teo anivon’ny CUA i Dokotera Rakotomaharo Mahandriniaina Tsinjo Ismaela, na Dr Tsinjo. Nahery fo tokoa ny lehilahy teo amin’izay sehatra izay, eny fa na dia efa nahitàny olana goavana teo amin’ny asany aza izany, dia tsy nikely aina izy, raha mbola tolona ho an’ny zon’ny mpiasan’ny kaominina. Mbola tao anatin’ny heriny tanteraka ny lehilahy, 33 taona, kanefa dia izao natelin’ny fasana sahady izao tao anatin’ny indray mi-pi-maso monja. Namela mananontena sy kamboty iray.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici