- Publicité SW45 -
jeudi, décembre 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFenoarivo : Maty noho ny fihinanana viagra

Fenoarivo : Maty noho ny fihinanana viagra

Tao anaty efitrano fandriam-bahiny iray tao Alakamisy-Fenoarivo no nitranga ilay fahafatesana ny harivan’ny alakamisy, tokony ho tamin’ny fito ora sy sasany. Ilay olona niray efitra taminy no nampandre haingana ny tompon’andraikitry ny hotely ary mbola tao anatin’ny fikoropahana tanteraka satria tsy nampoiziny ny zava-nitranga. Teo dia natao izay nitondràna ny marary izay efa tsy nahatsiaro tena intsony teny amin’ny toeram-pitsaboana. Natao ny ala nenina saingy tsy nitempo intsony mihitsy ny fon’ilay lehilahy. Koa satria nisy ny fahafatesana nampiahiahy dia notazomin’ny mpitandro ny filaminana aloha ilay vehivavy niray efitra tamin’ny maty. Izany koa dia mba ho fiarovana ny ainy sao sanatria misy ny hanao valifaty. Tsy voalohany no nisy ny tranga toa izao teny anivon’ireny efitrano fandriam-bahiny ireny. Efa nisy hatramin’ny olom-boafidy aza no « maty amperin’asa » toy izany. Matetika anefa noho ny henatra dia afenin’ny fianakaviana ny zava-nitranga na eo aza ny hatezerana izay mitambesatra. Eto amintsika rahateo tsy dia betsaka ny mankato ireny fitiliana ny ao anatin’ny razana ireny (autopsie) raha tsy hoe didian’ny fitsaràna. Afenina amin’ny ho fijanonan’ny fo tampoka matetika ny zava-nitranga. Ny vehivavy indray dia tazomina kely eny amin’ny mpitandro ny filaminana ary hanaovana fanadihadiana tsotsotra dia matetika tapitra hatreo ny raharaha. Entina hilazàna fotsiny izay hoe mba tsy matimaty foana ny olona namoy ny ainy. Tsy dia hita rahateo izay vesatra hanenjehana azy, raha tsy hoe olona efa manambady angaha ny lehilahy ary mety hitory noho ny fampirafesana ny vadiny. Eo koa dia vitavita hoazy ny resaka matetika satria ilay rangahy aza efa maty. Miverimberina hatrany izany kisarisary mahakasika trangam-piarahamonina izany rehefa misy fahafatesana anaty hotely toy izao. Ny tena fototry ny olana anefa dia ity fihinanana fanafody mampiridiridy izay misy karazan’olona izay tsy mahazaka izany mihitsy, indrindra ireo manana olana amin’ny fo sy ny tosidrà. Na koa ireo efa nahazoazo taona. Ireo rahateo dia matetika manao dokotera tena ary mihinakinam-poana. Zava-doza anefa izany.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici