- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversFenoarivo : Mpamilina taxi nisy namono, lasa ny fiara

Fenoarivo : Mpamilina taxi nisy namono, lasa ny fiara

Tamin’ny fomba feno habibiana tokoa no namonoana ity mpamilina taxi iray teny amin’iny faritra Fenoarivo iny. Diam-pamaky maromaro no hita teo amin’ny lohany, ary nahitana dian’antsy ihany koa ny tanany. Mazava ho azy fa tsy hita intsony ihany koa ny fiara nentiny, raha ny fanazavana azo. Antontan-taratasin’ny fiara, izay manambara ny maha –taxi ny fiara nentiny sisa hita tany aminy, niaraka tamina finday roa. Omaly maraina, tokony ho tamin’ny enina ora sy sasany, no hitan’ny olona nitsirara teo amoron’ny reniranon’i Sisaony, ny vatana mangatsiakan’ity rangahy ity, nihoson-drà tanteraka. Nampandrenesina avy hatrany ny tompon’andraikitry ny filaminana, izay tonga avy hatrany teny an-toerana, niaraka tamin’ny mpitsabo. Tamin’ny fitsirihana ny razana, dia azo noheverina avy hatrany fa maty nisy namono ity lehilahy ity, noho ireo ratra marobe tamin’ny vatany. Ny diam-pamaky teo amin’ny lohany no antony nitarika ny fahafatesany. Rehefa nisy ny fizahana lalindalina natao, dia nahitana ireo taratasina taxi ireo tao ambaniny tao niaraka tamin’ireo finday. Ny angom-baovao hatrany no nahafantarana, fa tsy tompon’ny fiara akory ity hita faty ity fa mpamily fotsiny ihany. Rehefa nantsoina mantsy ny laharana miverimberina tao anatin’ireo finday ireo, dia  fantatra fa ny tompon’ilay taxi no namaly. Hatreto kosa dia tsy fantatra izay misy ny fiara nentin’ity rangahy ity. Efa mandeha moa ny famotorana mahakasika ity raharaha halatra taxi, miharo vono olona ity, ataon’ireo zandary eny an-toerana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici