- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversFenoarivo : Mpanao menamahazo voasambotra

Fenoarivo : Mpanao menamahazo voasambotra

Lehilahy iray, mpanao irony kilalao karatra antsoina hoe « menamahazo » irony no nosamborin’ny zandary, omaly tetsy Ambohimasina, Alakamisy Fenoarivo. Fisolokiana sy filokàna an-dalambe no vesatra hiampangàna ity lehilahy ity, raha ny nambaran’ny mpanao famotorana.

Nisy fotoana tokoa, nanjaka tanteraka teto an-drenivohitra ity kilalao iray, loka miendrika fisolokiana, ity ary nisy mihitsy aza hetsika manokana nataon’ireo mpitandro filaminana nentina nisambotra ireo olona mpanao izany. Ankoatra ny hoe maha voararàn’ny lalàna azy amin’ny resaka loka an-dalambe, satria vola no lalaona amin’izy ity, dia voasokajy ho fisolokiana ihany ity kilalao iray ity. Raha ny fantatra mantsy dia toa misy tery ao anatin’izany ary manginy fotsiny ny resaka hangikan-tanana entina mangalatra. Tamin’ity tranga tetsy Fenoarivo ity dia nolazain’ilay lasibatra, izay avy hatrany dia niantso zandary rehefa lasan’izy ireo ny vola teny aminy, fa hoe « nisy lehilahy iray nandona izy ary toa voasarika ho azy hanao ilay lalao (…) Ary very tamin’izany ny volany ». Tsara hatrany tokoa ny mampahafantatra fa mazàna dia tsy mandeha irery ireny mpampilalao menamahazo ireny. Tsy maintsy misy namany iray na roa eo amin’ny manodidina. Mampirisika ary indraindray manery anao mihitsy hiditra amin’ilay lalao sy handrotsaka vola misimisy.

Nidina avy hatrany teny an-toerana moa ny zandary ary nisambotra avy hatrany an’ity lehilahy ity. « Mbola tratra eny aminy, hoy hatrany fampitam-baovao azo, ny karatra nampiasainy, nentiny nisoloky ». Ireo namany kosa, mety ho tafaporitsaka sy nanao tari-dositra raha vao tonga ireo mpitandro filaminana. Manentana ny tsirairay hatrany ny eny anivon’ny mpitandro filaminana, mba ho mailo ary tsy ho mora voarebirebin’ireny karazan-doka eny an-dalambe ireny ary miantso fiaraha-miasa, ho an’ireo mahita mba hampandre azy ireo haingana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici