Nivaofy tanteraka ny tongony, vaky ny kibony ary potika tanteraka ny valahany, … maty tsy tra-drano ilay lehilahy. Izay vokatry no loza mahatsiravina nitranga tetsy Fenoarivo, omaly vao maraina. Lehilahy iray manodidina ny 30 taona, nitondra môtô no nifatratra tany amina kamiô. Tsy vitan’ny voadona anefa fa mbola voarain’ny kodiarana ary voahitsaka teo amin’ny valahany. Omaly tokony ho tamin’ny fito ora maraina tany ho any no nisehoan’ity tranga ity. Mpiasa amina fivarotam-panafody iray eny amin’iny manodidina ity rangahy ity ary nirahina izy tamin’io fotoana io. Môtô « cross » no nentiny. Araka ny mahazatra ireo mpampiasa an’iny lalana miankandrefana iny moa, izay somary mandeha mafy avokoa dia azo lazaina tamin’izay no sendra ny tsy nampoizina ity namoy ny ainy ity. Handeha hisongona sarety mantsy izy araka ny filazan’ireo nanatri-maso teny an-toerana no sendra an’ilay fiarabe, izay nifanena taminy. Niezaka niala izany ihany ity mpitondra môtô ity raha ny fanazavàna azo saingy, noho izy ireo samy nandeha mafy izay dia tsy afaka nialàna ny loza. Voadona ny môtô nentiny ary avy hatrany dia nipitika tany ambany kodiarana ny nitondra, hoy hatrany ireo teny an-toerana. Voatetin’ireo kodiarana teo amin’ny valahany ilay lehilahy ary maty tsy tra-drano. Nandriaka ny rà ary nitangorona avy hatrany ireo mponina. Samy niezaka namonjy avokoa ireo nahita saingy efa tsy nisy azo natao intsony. Voatery nosokirina teo anelanelan’ireo kodiarana roa lehiben’ity kamiô ity mihitsy moa ny vatana mangatsiakany, ary nentina avy hatrany teny amin’ny tranom-paty. Nomena ny fianakaviany nony avy eo, taorian’ireo fitsirihana isan-karazany. Tonga teny amin’ny toerana nitrangan’ny loza kosa ireo mpitandro filaminana nijery ifotony ny zava-nisy ary nitondra ilay mpamilin’ilay fiarabe natao fanadihadiana.
m.L