- Publicité -
samedi, juin 14, 2025
AccueilFaits-DiversFenoarivo : Mpivady maty notsatohana antsy tao an-tranony

Fenoarivo : Mpivady maty notsatohana antsy tao an-tranony

Vono olona mahatsiravina no nitranga teny Ambaniavaratra-Fenoarivo, ny alin’ny zoma teo. Nandriaka ny rà tao amin’ny tokantrano iray. Olona roa dia R.P.T, mpiasan’ny banky, efa misotro ronono (70 taona) sy ny vadiny G.M.Thérèse (67 taona) no indray hita nitsidraka tamin’ny tany sady mihosin-drà ny vatan’izy ireo. Raha araka ny filazan’ny mpitandro ny filaminana dia ny mpanampy ao an-tranon’izy ireo ihany no ahiahiana voalohany ho tompon’antoka tamin’ity heloka bevava ity. Tovolahy 18 taona izy io ary izy irery ihany no tsy hita izay nanjavonany taorian’ny nitrangan’ilay vono olona. Ny nahatalanjona ny mpanao fanadihadiana anefa, dia tsy nisy nipika ny entana rehetra na ny vola tao an-trano na koa ny firavaka sarobidy. Nisokatra avy hatrany ny fanadihadiana ary isan’ny fantatra ny hoe vao haingana kely no niasa tao amin’ity tokantrano ity ilay tovolahy. Ny alehan’ny saina voalohany dia ny hoe nisy naniraka ny hamono azy mivady ve ilay mpanampy an-trano? Fantatra ihany koa fa novelesina tamin’ny antsibe ny hatok’ilay raim-pianakaviana ary tsatoka antsy teo amin’ny amin’ny fony kosa no nitarika ny fahafatesan-dramatoa. Tsy nisy nahita ny fitrangan-javatra raha ny fanazavan’ny mpitandro ny filaminana hatrany. Ny fianakaviana indray dia nisafidy ny tsy hiteny na inona na inona aloha, satria efa mandeha ny fanadihadiana ary efa misy paikady mipetrapetraka momba ny hahitàna ilay mpanao ratsy. Mbola ny mpitandro ny filaminana hatrany no nahafantarana, fa nitsoaka nandositra ary tsy nitondra afa-tsy ny entan-keliny sy ireo zavamaranitra namonoany azy mivady ilay mpiasa izay voarohirohy. Mbola hita teny an-tokotany ny kapany; izay mbola mihosin-drà ihany koa. Mandeha ny fikarohana azy nanomboka tamin’ny faran’ny herinandro teo.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser