- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversFenoarivo : Rangahy hita faty, potika ny lohany

Fenoarivo : Rangahy hita faty, potika ny lohany

Lehilahy iray, manodidina ny 30 taona teo ho eo no hita faty teny an-tanimbary ny faran’ny herinandro lasa teo, teny Firavahana, kaominina Fenoarivo. Araka ny fampitam-baovao avy tamin’ny zandarimarim-pirenana izay tonga haingana teny an-toerana, raha vao naharay ny vaovao, dia fantatra fa olona novonoina izy ity, ary novonoina tamin’ny fomba mahatsiravina mihitsy. Potika tanteraka mantsy ny lohany, izay nahitana ratra sy dian-kapoka maromaro, raha ny vaovao hatrany. Tsy vitan’izay anefa, fa mbola mivonto ny takolany sy ny tànany havia, ary feno rà ny orony sy ny vavany. Olona sendra nandalo teny an-toerana no nahatsikaritra ity vatana mangatsiaka nitsingevana teny an-tanimbary. Hatairana ny an’ireto olona ireto ary nampandre avy hatrany ireo tompon’andraikitra teny anivon’ny zandary, izay niaraka tamin’ny mpitsabo avy amin’ny CSB2 Fenoarivo. Tamin’ny fizahana ny razana no nahafantarana, fa olona maty novonoina ity rangahy ity, izay fantatra fa mponina eny amin’iny faritra iny hatrany. Na izany na tsy izany aza anefa, dia nambaran’ireo mpanao fanadihadiana fa mety tany amin’ny toeran-kafa ity olona ity no novonoin’ireo tsy mataho-tody, ary natsipy teo amin’io toerana io, nony avy teo. Taorian’ny fitsirihana dia nomena ireo fianakaviana ny razana. Efa eny am-pelan-tanan’ireo zandary avy ao amin’ny borigady Fenoarivo moa ity raharaha ity, hikarohana ireo nahavanon-doza sy izay mety ho antony namonoana azy.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici