Lehilahy lehibe iray no hita faty tao an-tranony, teny Ambalavato, ao amin’ny fokontany Ambatomiala, Fenoarivo, ny alarobia lasa teo. Nifatotra tongotra aman-tànana ity rangahy be ity. Tsy nahitana ratra ny vatany, saingy ny tendany kosa no nisy diam-patotra, izay heverina fa nanakendana azy ho faty. “Maty nisy namono” izy io, hoy ny zandary tonga teny an-toerana. Tokony ho tamin’ny sivy ora maraina teo ho eo no tsikaritry ny olona izay handeha ho any an-tsaha vao maraina izany toe-javatra izany. Mipetra-drery mantsy ity lehilahy hita faty ity, raha ny angom-baovao azo. Sendra nila zavatra tao amin’io olona io no tsy nisy nanohina, kanefa ny trano mihidy. Tsy fomban-drangahy izao, izay mponina eny ihany moa ka fantatry ny manodidina tsara. Niahiahy zava-dratsy avy hatrany ireo olona ka niantso ny ben’ny Tanana teny an-toerana. Ity farany indray avy eo no tonga niaraka tamin’ny zandary avy ao amin’ny “poste avancé” ao Ambohijafy, sy ny dokotera. Zava-doza avy hatrany no hitan’ny rehetra maso tao an-trano. Ilay rangahy lehibe, nifatotra tongotra aman-tànana toa efa tsy misy aina intsony teo am-pivoan-trano. Ny fizahana nataon’ireo mpitsabo no nahafantarana, fa efa tsy izy intsony ity olona ity, ary maty nokendaina. Inona no antony ? Iza no nahavanon-doza ? Valifaty sa asan-jiolahy ? Efa misokatra moa ny fanadihadiana ataon’ireo zandary mahakasika izany. Ny hany fantatra hatreto, raha ny fampitam-baovao hatrany, dia tsy nisy nohetsehina ireo entana rehetra tao an-tranon’ity lehilahy hita faty ity.
m.L