- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversFenoarivo : Taxibe nentin’ny zaza tsy ampy taona nivadibadika, olona iray maty

Fenoarivo : Taxibe nentin’ny zaza tsy ampy taona nivadibadika, olona iray maty

Ny zanakalahin’ny tompon’ny fiara, izay vao 15 taona monja, no teo aminy familiana ity fiara « sprinter » iray, tra-doza omaly tetsy amin’ny « digue » Fenoarivo, araka ny tatitry ny zandary. Niezaka nisongona fiara hafa teo alohany izy no tsy voabaikony intsony ilay fiara. Hany ka namantana tany an-tanimbary rehefa avy nandona fiara iray hafa.

Ny hadalana toy izao matetika no tena vidiana lafo. Nitrangana loza mahatsiravina indray iny lala-mahitsin’ny lalam-pirenana voalohany etsy Malaza Fenoarivo iny, omaly tokony ho tamin’ny iray ora tolakandro. Fiara roa be izao no indray simba tsy nisy azo noraisina. Aina iray no nafoy ary olona fito no naratra mafy. Raha ny fanazavàna azo avy amin’ireo mpitandro filaminana tonga teny an-toerana nanao ny fanadihadiana dia io vokatry ny tsy fitandremana io no nahatonga ny loza. Ambonin’izay, ankizy tsy tokony mbola hifehy familiana akory no lasa nitondra fiara, hany ka tsy maintsy loza no niafaràny. Raha ny fanazavàna azo hatrany mantsy dia nilaza handeha hanasa fiara eny Fenoarivo ity fiara « sprinter », manao zotra mampitohy ny renivohitra sy Itaosy. Teny an-dalana anefa, ary raha teo amin’iny lala-mahitsy iny indrindra no niezaka nampitovy tanjaka tamina   fiara « sprinter » hafa, manao zotra ho any Vontovorona any, angamba ity mpamily izay mbola ao anatin’ny tsy fahamatorana tanteraka, ka niezaka nisongona izany. Teo indrindra no sendra ny tsy nampoizina satria nisy fiarabe iray nitondra vatokely nipoitra,izay tsy azo nihodivirana intsony. Tsy tana ny loza. « Nifampikasoka tamin’ilay « camion benne » mpitatitra vato izy io rehefa avy nanao an’io fisongonana io ka nivadibadika  intelo », hoy ny fanazavàna azo avy amin’ny mpitandro filaminana hatrany. Nisy olona maromaro moa tao anatin’ity fiara nisongona ity. Tao anatin’ireo ilay olona namoy ny ainy, noho ny ratra mafy nahazo azy. Isan’ny naratra sy tao anatin’io fiara ihany koa ny tena mpamily an’ilay fiara. Ilay zazalahy nitondra fiara kosa dia fantatra fa naratra ary tapaka ny tongony. Nisy olona iray naratra ihany koa tao amin’ilay kamiao voadona. Efa samy nentina notsaboina tany amin’ny hôpitaly avokoa moa ireo naratra. Tonga teny an-toerana nanatanteraka ny asany koa ireo mpitandro filaminana, nijery ifotony ny zava-nisy, nanao ny fanadihadiana ary niezaka nandamina ny fifamoivoizana izay nitohana dia nitohana vokatr’ity loza ity.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici