- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversFenoarivobe : Dahalo dimy indray lavon’ny zandary

Fenoarivobe : Dahalo dimy indray lavon’ny zandary

Niampy indray ireo olon-dratsy tsy afa-manohy intsony  ny asa ratsiny, any amin’iny distrikan’i Fenoarivobe iny. Raha mbola teo am-panomanana ny teti-dratsiny ireo andian-dahalo mantsy no notongavan’ny zandary. Raikitra teo ny fifandonana ka nisy dimy tamin’ireto malaso ireto no lavon’ny bala. Ny alatsinainy teo no nitranga izany, tao Manerinerina, ao amin’ny fokontany Andranomirafy, any amin’iny faritra Bongolava iny, tokony ho tamin’ny dimy ora sy sasany tany ho any. Raha ny fanazavana azo, dia nisy loharanom-baovao azon’ny teo anivon’ireo mpitandro filaminana fa misy andian’olona mirongo basy, mivorivory ao amina kirihitr’ala iray tsy lavitra io tanàna io. Tsy nisy fisalasalana fa avy hatrany dia nidina tany amin’ilay toerana voalaza ireto mpitandro filaminana, ary indreo eo tokoa ireto andian’olona ireto. Tetsy andanin’izay kosa raha vao nahita ireo zandary tonga nanatona ireto olona nivorivory, avy hatrany dia nitsoaka sy nitifitra. Voatery namaly tifitra araka izany ireo mpitandro filaminana. Tsy nifandrenesana ny feom-basy tao anatin’ity kirihitr’ala  ity . Vokany ireo olon-dratsy dimy ireo lavo sy tsy afa-manohy ny asa ratsiny intsony. Afaka nitsoaka tao anaty fifandonana kosa ny iray tamin’ireo malaso. Voalaza mantsy fa enin-dahy izy ireo ary nikasa ny hanafika ilay tanàna, raha tsy io tonga aloha io ny zandary. Mbola nahitana basy maromaro mantsy tany amin’izy ireo, niaraka tamina ody gasy. Nentina teo imason’ireo fokonolona tao an-tanàna moa ny razan’ireto olon-dratsy ireto. Mbola mitohy kosa etsy an-danin’izay ny fikarohana ilay namany tafatsoaka.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici