Nitrangan’ny lozam-pifamoivoizana mahatsiravina ny sabotsy maraina teo tao Keliandrandraina, kaominina Kiranomena, distrikan’i Fenoarivobe. Fiara mazda iray nitondra mpandeha maromaro no nivadika sy latsaka tanaty hantsana. Vokany, olona telo no namoy ny ainy, ary maromaro ihany ireo naratra.
Araka ny fampitam-baovao azo dia anisan’ny namoy ny ainy nandritra ity lozam-pifamovoizana ity ny sefo fokontany mivady avy any amin’iny kaominina Mahajeby iny, raha nikasa hiakatra ao Tsiaroanomandidy. Marihina fa tamin’iny ampahan-dalana avy any amin’ny kaominina Kiranomena, mihazo ny renivohitry ny faritra Bongolava iny no nitrangan’ity loza ity. Araka ny loharanom-baovao hatrany dia handeha hiakatra an’i Tsiroanomandidy mihitsy ity fiara ity izao tra-doza izao. Olana ara-teknika teo amin’ny fiara no voalaza fa nahatonga ny loza, ary tsy nahafahan’ny mpamily nifehy ny fiara intsony. Namantana avy hatrany tany anaty hantsana izany fiara « minibus mazda » izany ary nivadibadika imbetsaka ihany vao tafapetraka. Olona roa no maty tsy tra-drano sy voatery nosokirina tao anaty fiara : ilay lehiben’ny fokontany sy ny vadiny. Nisy maromaro ireo olona naratra mafy ka voatery nentina haingana namonjy toeram-pitsaboana. Nisy iray tamin’izy ireo, raha ny voalaza hatrany, no namoy ny any nony tonga tany amin’ny hôpitaly. Anisan’ny naratra tao anatin’ity lozam-pifamoivoizana ity moa ny mpamily ary efa manaraka fitsaboana. Efa tonga teny an-toerana nijery ifotony ny zava-nisy ihany koa ireo mpitandro filaminana ary nanokatra ny fanadihadiana. Nitondra ny teny fampiononana ho an’ireo niharam-boina ary nankahery ireo naratra nandritra ity loza ity moa ny governoran’ny faritra Bongolava.
m.L