- Publicité SW45 -
vendredi, avril 19, 2024
AccueilFaits-DiversFenoarivobe : Jiolahy avy nandroba mpitondra moto maty voatifitra

Fenoarivobe : Jiolahy avy nandroba mpitondra moto maty voatifitra

Jiolahy roa no fantatra fa maty voatifitry ny zandary ary iray voasambotra tamin’ny talata tany amin’ny faritry Fenoarivobe. Fantatra fa avy nanendaka olona nitondra volabe 2 tapitrisa ariary nandeha moto ireo jiolahy ireo. Raikitra ny fifampitifirana tamin’ny zandary rehefa narahana izay nalehany. Tamin’izany no naha lavo ny roa.

Io andro io, hamonjy tsena any Mahitsy ilay lehilahy. Efa fantatr’ireo jiolahy izany zavatra izany ka nandrasany tamin’ny toerana ratsy lalana sy teriteny ary malama vokatry ny orana. Avy hatrany dia voaambana basy ilay lehilahy. Tsy afaka nihetsika mihitsy ary dia nalain’ireo olon-dratsy mora foana ny vola. Raha azon-dry zalahy izany dia lasa nandeha izy ireo. Voalaza fa basim-borona roa no teny amin’ireo bandy efatra ireo.

Soa fa tsy nampiasa hery ireto jiolahy fa navelany teo ily lahilahy sy ny môtôny. Tsy niandry ela ilay voaendaka fa nandeha haingana nampandre ny zandary. Teo no ho eo ihany dia natao ny fikarohana azy ireo. Raha vao nifankatratra anefa ny roa tonta dia voalazan’ny vaovao fa nampiasa basy avy hatrany ireo jiolahy. Tsy nijanona tamin’izao ny mpitandro filaminana fa mba namaly koa. Vokany, roa maty, iray voasambotra ary tafatsoaka ny fahefatra. Tafaverina amin’ny tompony soa aman-tsara ilay vola. Mbola mitohy moa ny fanadihadiana mba hahafahana misambotra ilay iray tafatsoaka.

ALEM

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser