Rovitra ny ilan-kibony, rovitra ny foto-peny, feno maratra sy mangana ny vatany iray manontolo … vatana efa tsy misy aina intsony no novantanin’ireo mpamonjy sy ny mpitsabo. Tsy nisalasalàna fa nisy namono ity rangahy ity saingy tsy lavitra ny tompon’antoka : ilemainty ! Ilay omby fiompiny ihany. Biby anisan’ny manana ny toerana amin’ny fiarahamonina malagasy raha ny omby : manampy amin’ny asa ary mpanome sakafo ihany koa… saingy biby mampidi-doza indraindray raha ity tranga niseho tao Marofarihy Fenoarivobe, distrikan’i Tsiroanomandidy ny andron’ny alarobia lasa teo. Raha ny fampitam-baovaon’ny zandary dia raim-pianakaviana iray no maty tsy tra-drano rehefa voatoton’ny omby nompiany ihany. Nampandrenesina avy hatrany moa ny zandary ary tonga teny an-toerana niaraka tamin’ny mpitsabo nojery ifotony ny zava-misy. Efa vatana mihoson-drà no hita teny an-toerana hoy ny vaovao, ary ilay omby mijoro tsara, feno rà ihany koa ny tandrony. Tsy nisy azo natao intsony moa ny momba ity lehilahy ity hany ka taorian’ny fizahana nataon’ny mpitsabo dia natolotra ny fianakaviana ny razana. Nanokatra fanadihadiana kosa ny zandary. “Tsy ny omby no atao famotorana, hoy izy ireo fa rehefa misy tranga faty olona tahak’izao dia tsy maintsy misy ny fanadihadiana misokatra sy ny fanaovana ny “procès verbal” Mila fahamailona tokoa ny toe-javatra tahak’ity, eny fa na dia misy amin’ireo mpiompy azy ireny no voalaza fa manana “ody tandroka” mba tsy hanotoan’ny omby azy. “Aza matoky biby ompiana loatra fa teto dia tena nitombina ilay hoe fanahim-biby” hoy ny zandary
m.L