Habibiana tsy roa aman-tany. Notsatohana famaky teo amin’ny tendany ary antsy teo amin’ny lamosiny. Ny alin’ny alahady alina no nahazo antso ny zandary tao an-toerana noho ny fisian’ny fatin’olona izay hita teo anelanelan’ny tanàna antsoina hoe Kijana, eo anelanelan’I Vinanin’Analanikomba sy Sahandrano, Fokontany Tsaramandroso, ao amin’ny
distrikan’ny Fenoarivobe. Nitondra mpitsabo nidina teny ny mpitandro ny filaminana ary ny tsikaritra dia fatin’olona matory mitsilany, misy famaky mitsatoka eo amin’ny tendany ary antsy teo amin’ny lamosiny. Efa mihasimba ny razana ary tombanana ho efa andro maromaro talohan’ny nahitàna azy ny namonoana azy. Randriantafira Lovasoa ny anarany, 43 taona raha araka ny tatitry ny zandary izay nanao ny fisavàna ny razana. Nisy taratasy teny amin’ilay olona maty ka izay no nahanfatarana azy. nataon’ny zandary ny fisavàna azy ka nahitàna ny taratasy momba azy. Rehefa vita ny fizahana dia mazava fa nisy namono io olona io. Noraisin’ny fokonolona an-tànana ny fandevenana azy. Nanao fanentanana tamin’ny olona ny zandary ny hanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny fiambenana ny tanàna. Izany hoe ny famerenana ny andrimasom-pokonolona ary koa ny fampandrenesana haingana ny mpitandro ny filaminana rehefa misy zavatra ahiahiana sy fantatra mahakasika ny olon-dratsy.
D.R