Mitaraina ireo orinasa izay mpanatanteraka ny asa avy amin’ny tahirim-bola natokana hanamboarana sy hikojakojàna ny làlana dia ny Fonds d’Entretien Routier (FER) izany. « Efa tamin’ny taona 2018 sy ny voaloan’ny taona 2019 ka hatramin’izao dia tsy mbola nisy naloan’ny fanjakana ny volan’ny orinasa. Ny lazain’ny tompon’andrakitra rehefa mitaky ny volany ny olona dia ny fanovaàna ny anaran’ny « FER » ho « FR » (Fonds Routiere) no anton’izany, izany hoe tsy afaka mandoa io vola io ny FR noho ny lafiny ara-pitantanana » raha araka ny fanazavana azo avy amin’ireo mitaraina. Ireo farany dia miantso ny fitondram-panjakana mba hamaha ity olana ity faran’izay maika satria fianakaviana aman’arivony no indray voakasik’izany. « Tsy misy hivelomana intsony izahay mpandraharaha ary azo sokajiana ho very asa. Sady tsy afaka mandroso satria efa natontona tao avokoa ny vola no koa tsy afaka miverina satria efa vita ny asa. Matoky ny fahendren’ny mpitondra izahay araka ny velirano nataon’ny Filoha, izay mamporisika ny fandraharahana sy ny famoronana asa. Mipetraka anefa ny fanontaniana ankehitriny hoe ny efa mpandraharaha indray ve no hampijaliana toa izao ? » hoy hatrany izy ireo. Tsy vao izao izy ireo no nivoaka tamin’ny fahanginany ary efa nandefa ny fitarainana isan’ambaratongany, isan’izany voalohany tamin’izany ny minisitry ny asa vaventy. Indrisy anefa fa tsy nisy fihainoana mihitsy hatramin’izao, hoy izy ireo. « Izahay mpiasa tsy voaloa karama, ny mpamatsy entana koa manenjika noho ny trosan’izy tamin’ny entana izay nampiasaina tamin’ny asa vaventy. Ankehitriny dia atodikay amin’ny Filoham-pirenena manokana mihitsy ny antso avo ny mba hijerena manokana ity raharaha ity satria lasa mandoto ny fitondrana ny zava-misy » raha araka ny fitarainana izay nampitaina taminay.
D.R