- Publicité -
vendredi, septembre 19, 2025
AccueilFaits-DiversFernand Cello : Nahemotra ny famoahana didy

Fernand Cello : Nahemotra ny famoahana didy

Amin’ny 8 jolay indray no hivoaka ny didy mahakasika an’i Fernand Avimanana, dit Fernand Cello. Amin’io daty io koa anefa no hanomboka ny fotoam-pitsaràna mahakasika ny raharaha faharoa nitoriana azy. Mbola mitodika any amin’ity raharaham-pitsaràna ity ihany ny mason’ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety ary mahaliana ny olona misehatra ao anatiny izany. Mitovy avokoa ny vesatra ara-pitsaràna nanenjehana an’i Fernand Cello dia ny heloka araka ny lalànan’ny serasera amin’ny haino aman-jery (lalàna 2020-006), ny heloka amin’ny tranonkala (lalàna 2016-031) ary ny fanohintohinana filaminana anatiny (lalàna famaizana ao amin’ny andininy faha-93, andalana fahatelo). Manara-maso akaiky ity raharaha ity koa ny fikambanana iraisam-pirenena « Reporters Sans Frontières » izay misahana ny fiarovana ny mpanao gazety maneran-tany. Fikambanana izay nanameloka ny fisamborana an’ity mpanao gazety ity sy ny famonjàna azy.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici