Ny mpisolovava no nisolo tena ny mpitory. Vokany, tsy nisy adihevitra firy nandritra ny fotoam-pitsaràna fa i Fernand Avimanana dit Fernand Cello no tena nohenoina. Nolaviny ny fiampangana azy rehetra izay mihodidina eo amin’ny fanalam-baràka mpikamban’ny governemanta sy ny fanohitohinana ny filaminana anatiny. « Tsy nanonona anarana aho ary ny sary nampiasaiko tamin’ny fizaram-baovao aza dia sary fanehoana ihany. Sary anatin’ny besinimaro », hoy i Fernand Cello teo anoloan’ny hazo meloka. Niompana betsaka tamin’ny asa fanaovan-gazety koa ny adihevitra ary ny tsapa dia tena tsy azon’ny besinimaro ilay tontolo. Ny mpanao gazety izay tonga nanatrika ity fotoam-pitsaràna ity dia samy nahatsapa fa tena mora loatra ny migadra noho izay tsy fahalalàn’ny olona ny asa izay. Toa izany adihevitra ara-pitsaràna nanao hoe : « maninona no tsy nampianarinao ny hitory ilay loharanom-vaovaonao fa kosa ny vaovao izay nolazainy no navoakanao ?». Ny mpanao gazety dia tsy mpampianatra fa kosa mpamoaka vaovao. Nolavina ny fangatahany fahafahana vonjimaika ary ny talata 01 jolay no hivoaka ny didy mahakasika ity fitorian’ny lehiben’ny mpiandry fonja ao Antentezamaro ity. Nangataka 1ar ho lamandy ny mpisolovavany ary koa ny fampiharana ny lalàna momba ny fanalam-baràka. Io dia tsy mampigadra raha araka ny lalàna mifehy ny asa fanaovan-gazety fa kosa andoavana lamandy. Mbola misy fanenjehana roa izay miandry an’i Cello ary mitovitovy fitranga avokoa.
D.R