- Publicité SW45 -
mercredi, janvier 15, 2025
AccueilFaits-DiversFestival Jerijery – Vavatenina : Tonga nanokatra izany ny Goverinoran’ny Faritra sy...

Festival Jerijery – Vavatenina : Tonga nanokatra izany ny Goverinoran’ny Faritra sy ny SEG

Ny SEG sy ny Goverinoran’Analanjirofo ary ny mpikarakara, nandritra ny fanokafana ny festival Jerijery tao Vavatenina.

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny zoma lasa teo ny hetsika ara-kolontsaina, “Festival Jerijery” andiany faha-19. Lanonana manetriketrika tokoa no nanokafana izany tany Vavatenina, faritra Analanjirofo. Tonga nanome voninahitra izany lanonam-panokafana izany moa ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena, ny Jly Serge Gellé, izay sady ministra mpiahy iny faritra Analanjirofo iny, no mbola zanaky ny faritra rahateo. Niaraka tamin’Atoa Governoran’ny faritra Analanjirofo, ny Dr Randriamanantena Marcellin. Notronin’ireo olo-manan-kaja maro, olom-boafidy, olom-boatendry, sivily sy miaramila. Marihina fa efa ho 21 taona teo ho eo izay no nisian’ity hetsika ara-kolontsaina mampalaza an’i Vavatenina ity.  Angady nanana izany Itompokolahy Tidahy Raphael. Tonga nanatrika ny lanonana rahateo moa ny zanany izay ao anatin’ireo kaomity mpikarakara.  Eo amin’ny efatra andro ny faharetan’ity hetsika ity, izay ahitàna fifaninana ara-kolontsaina betsimisaraka isan-karazany, zava-kanto ary fizaràna loka. Ary hofaranana amin’ny alim-pandihizana lehibe  izany. Vory lanona ny vahoaka ary fifaliana ho an’ny zanak’i Vavatenina ny mihaona mandritra ity hetsika ara-kolotsaina 2022 ity. Ny “festival Jerijery”, izay marihina fa tena mahasarika mpivahiny maro manerana ny Nosy tokoa.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici