- Publicité -
lundi, juillet 14, 2025
AccueilFaits-DiversFestival Tanà 2016: Telo andro ho an’ny fifohazampanahy

Festival Tanà 2016: Telo andro ho an’ny fifohazampanahy

Anio amin’ny 2 ora tolakandro no hanomboka etsy amin’ny Stade Anexe Mahamasina ilay hetsika ara-pilazantsara lehibe « Festival Tanà 2016 ». Hetsika izay tsy anavahana anaram-piangonana fa hiantsoana ireo rehetra te hiara-hiombombavaka ho an’ny fifohazampanahy eto Madagasikara. Ny Fiombonan’ny Mpitory Filazantsara no mikarakara ity hetsika izay ahitana ihany koa evanjelistra amerikana roalahy fantadaza, sy  Daniel King sy Kevin Gardner izay manana fanomezam-pahasoavana ihany koa amin’ny fanasitranana. Araka ny maha Festival azy dia hibahan-toerana ao ny hira ara-pilazantsara ahitana mpanakanto fantadaza toa an’i Joseph d’Af, Les Adelines, Ny Ako, Antsa an’i Kristy, TGC sns…Hitohy rahampitso alahady sy rahafakampitso alatsinainy ao amin’ny stade annexe Mahamasina ihany ity hetsika izay iantsoana ny daholobe ity. Zaraina maimaimpoana ao amin’ny rihana voalohany ao amin’ny Shoprite Analakely ny  karatra fidirana ao amin’ity hetsika ity.

R.Edmond.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici