- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-Divers« Festival » Tsolabe ao Sainte-Marie : Hatao ny 10 hatramin’ny 13...

« Festival » Tsolabe ao Sainte-Marie : Hatao ny 10 hatramin’ny 13 oktobra ho avy izao

Hiditra amin’ny andininy faha-11 ny fetibe “fesitival” Tsolabe ao Sainte-Marie ny volana oktobra izao, ka vinavinain’ny mpikarakara hatao ny 10 hatramin’ny 13 oktobra izao izany hetsika izany. Mitentina 87.690.000 ariary ny tetibola ilaina amin’ny fanomanana izany fetibe izany, araka ny nambaran’ny mpikarakara Atoa Angelos Adonis. Hetsika ara-kolontsaina, manana ny maha-izy azy hanasongadinana ny kolontsaina Antenosy, sy fampahalalana amin’ny mpizaha tany anatiny na ireo vahiny ny hakanton’ny nosy Sainte-Marie ny hetsika atao rehetra. Misy rahateo mandritra ny fetibe ny fivahinianan’ireo mpanao gazety vahiny mampahalala ny nosy Sainte-Marie mandritra izany. Mandritra, ny hetsika ny volana oktobra, rahateo no fotoana mampisy ny zagnaharibe, na trozina, mandalo sy mitoetra amin’iny fari-dranomasina Sainte-Marie iny. Eo am-pikarohana ny vola entina manomana izany “festival” Tsolabe izany ny mpikarakara amin’izao fotoana izao; satria ankoatra ny zava-kanto sy ny kolontsaina ary ny fizahantany, dia misy ihany koa ireo lalao ara-pananjahan-tena samy hafa sy ara-toekarena ihany koa, amin’ireo fampirantiana samihafa mandritra ny fetibe maharitra efatra andro. Efa mitsangana rahateo ny komitin’ny Tsolabe amin’izao fotoana izao amin’ny fanomanana ity hetsika ny volana oktobra ity.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici