- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversFetim-pirenena : Olona 26 no nosamborin’ny pôlisy

Fetim-pirenena : Olona 26 no nosamborin’ny pôlisy

Fahamamoana ankalamanjana, sinto-mahery, halatra sy herisetra, … Ireo no antony nisamborana ireto olona 26 ireto, nandritra iny fankalazana ny fetim-pirenena iny, raha ny teto an-drenivohitra, araka ny tatitra azo avy amin’ny pôlisim-pirenena. Azo lazaina ihany tokoa fa nilamina iny fankalazàna iny, na dia teo aza ireo zavatra voalaza etsy ambony ireo. Nanao ezaka lehibe dia lehibe tokoa mantsy ireo tompon’andraikitry ny filaminana, nandritra ireo roa andro nankalazana ny fetim-pirenena teto amintsika, raha ny teto an-drenivohitra manokana. Efa tsy tao anatin’ny fihibohana, toy ny tamin’ny taona lasa intsony isika ka maro ireo olona no niezaka nifety izany asaramanitra izany tao anatin’ny filaminana tanteraka. Na izany na tsy izany aza anefa, rehefa ankatoky ny fety toa izao, tsy maintsy misy ireo loza tsy ampoizina, vokatry ny habetsaky ny olona, tsy fitandremana fa indrindra indrindra ny zava-pisotro mahamamo. Araka ny tatitra azo avy eny anivon’ny pôlisim-pirenena hatrany dia nahitàna trangana lozam-pifamoizana valo teto Antananarivo sy ny manodidina. Soa ihany fa tsy nisy namoizana ain’olona izany, saingy voalaza kosa fa nahatratra teo amin’ny 17 teo ho eo ireo naratra vokatr’izay loza izay. Ireto farany moa izay efa samy nahazo ny fitsaboana sahaza azy avokoa. Ankoatr’izay dia fantatra fa nitrangana hain-trano roa nandritry ny andron’ny 25 sy 26 jona teo. Hain-trano izay nitranga tetsy Tsarahonenana sy Andavamamba. Tsy nisy ny aina nafoy na ny naratra vokatr’izay saingy ny fananana nohariana tao anatin’ny taona maro kosa no potika sy lasa lavenona tao anatin’ny indray mipi-maso monja. Tetsy andanin’izay dia araka ny antontan’isa nomen’ny pôlisy hatrany dia nahitàna fatin’olona iray ihany koa tao anatin’ireo andro roa nankalazana ny fetin’ny asaramanitra ireo. Ity farany moa izay efa nentina nihazo avy hatrany ny tranom-paty, hiandrasana ny havany, maka azy.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici