
Amin’ny andro fety tokoa no tena mananaraotra ireo tontakely manao ny asa ratsiny, indrindra moa rehefa fotoana mampivoaka ny olona harivariva ao an-tranony toy ny alin’ny 25 sy 26 jona lasa teo. Ho an’ny teto amin’ny faritra Analamanga manokana, indrindra fa ny teto an-drenivohitra, dia fantatra fa polisy aman’arivony no no nahetsika, hitandro izay filaminanna izay mba ahafahan’ny tsirairay miara-mankalaza ny fetim-pirenena anaty filaminana. Na izany aza anefa, mbola misy ireo mihevitra fa lasa nanao matso avokoa angamba ireo mpitandro filaminana ka mbola nanararotra ny asa ratsiny ihany. Diso hevitra tanteraka ! Olona manodidina ny 44 no voatery nosamborina noho ny karazana fandikan-dakana maro samihafa hoy ny polisy. Ankoatry ny fanakorontanana, fimamoana an-dalambe sy ny sisa dia nisy tamin’ireo voasambotra ireo no tena olon-dratsy : efatra voasambotra noho ny resaka halatra miharo vaky trano, 14 isa tra-tehaka teo am-panendahana sy fanaovana sintom-mahery ary ny telo hafa, tratra am-bodiomby raha mbola teo am-pikasàna hamaky trano. Etsy andanin’izay araka ny antontan’isa navoakan’ny polisy hatrany, nandritra iny roa andro fankalazana ny fetin’ny fahaleovan-tena iny dia nahatratra 11 ireo trangana lozam-pifamoivoizana nisy teto an-drenivohitra, izay naharatrana olona sivy. Toy ny amin’ny voninandro fety dia saika resaka fahamamoana eo am-pamiliana, tsy fitandremana na fandehanana mafy no mahatonga ny loza.
m.L