Hanetriketrika ny fanakalazana ny faha-60 taona niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara sy ny faha-60 taona nijoroan’ny Tafika Malagasy. Ireo hetsika rehetra ho fankalazana izany, dia haompana tanteraka amin’ny vinam-pampandrosoana an’i Madagasikara avokoa. Fa ny lehibe indrindra, dia ny fifaninanana ampanaovin’ny komitim-pirenena nanankinana ny fankalazana ity fety ity; izay eo ambany fiahian’ny ministeran’ny Fiarovam-pirenena. Tsy inona izany, fa ny famoronana ny « tara-kevitra » sy ny » sary faneva » (logo) ho an’io fety io. Hifarana amin’ny 28 Febroary izao ity fifaninanana ity, ka hiantsoana izay manana talenta rehetra, tsy hanavahana sarangan’olona. Maimaimpoana ny fandraisana anjara ary loka goavana no homena izay voalohany. Toy izao ny fepetra tsy maintsy arahina. Ny tara-kevitra dia andalana roa ihany farafahabetsany ka atao amin’ny teny Malagasy ofisialy. Ny sary famantarana kosa, dia tsy maintsy loko telo no ampiasaina ankoatry ny fotsy sy ny mainty. Efa azo jerena eny amin’ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena ihany koa, hoy ny Jeneraly Guerson Randrianantoandro, filohan’ny komity mpanomana ny fankalazana, andinindininy rehetra mikasika izany.
T.M.