- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversFetin’ny Fahaleovantena 2019 : Ho modely amin’ny fananganan-tsaina ny polisim-pirenena

Fetin’ny Fahaleovantena 2019 : Ho modely amin’ny fananganan-tsaina ny polisim-pirenena

Manoloana ny fahatongavan’ny fetim-pirenena, dia manentana ny olom-pirenena rehetra mba hanangan-tsaina ny Ministeran’ny Filaminam-bahoaka. Mariky ny fiandrianam-pirenana izany ary manana andraikitra amin’ny fankalazana io andro lehibe niverenan’ny Faleovantenam-pirenena io ny Polisim-pirenena, hoy ny Minisitry ny filamimam-bahoaka, Rafanomezantsoa Roger, ny talata maraina teo. Fotoana izay nizaran’ny Minisitra  sainam-pirenena tamin’ireo Polisy miasa eo anivon’ity Minisitera ity. Nambarany, fa nandranto fiofanana ambany faneva ny Polisy ary nanao fianianana ambany fanevam-pirenena ka mitempo ao anatin’izy ireo izany fitiavan-tanindrazana izany. Noho izany, nanambarany samy handravaka sainam-pirenena ny toeram-piasana, toby, ary ny trano fonenany manerana an’i Madagasikara ireo Polisy mandritra ity volana Jona 209 ity iray manontolo. amin’ny loko malagasy, maitso fotsy mena izahay masin’andron’ny 01 Jona sy ny volana Jona 2019 ho marik’izany fitiavana ny firenena sy ny Malagasy izany. « Amin’ny maha-isan’ny tompon’andraikitra anay eto anivon’ny fanjakana Malagasy dia mahatsiaro ho manana andraikitra koa izahay amin’ny fanentanana ny Malagasy mpiray tanindrazana hanangana izany sainam-pirenena izany isan-tokantrano, sy handravaka ny tontolo manodidina amin’ny lokon’i Madagasikara mandritra ny volana Jona ; satria manomboka eny anivon’ny tokantrano sy ny fokontany ny asa fampivoaram-pirenena rehetra, iadiantsika mpiray tanindrazana, amin’ny fanatanterahana ny vina I.E.M tarihin’Andriamatoa Andry Rajoelina hoy hatrany ny fanazavany. Mikasika izay fankalazana ny Fetim-pirenena izay hatrany, dia nanambara ny Minisitra, fa mahatratra 9 000 ny polisim-pirenena hahetsika manerana an’i Madagasikara mandritra ity fotoanan’ny fety ity, ankoatr’ireo izay tsy manao fanamiana hikaro-baovao eny rehetra eny. Hanatevin-daharana ireo efa am-perinasa eto an-dRenivohitra ihany  koa ireo mpianatra ho Polisy  800.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici