- Publicité SW45 -
dimanche, décembre 15, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFetin’ny faran’ny taona : Olona 5 no maty, 177 naiditra hopitaly, 2...

Fetin’ny faran’ny taona : Olona 5 no maty, 177 naiditra hopitaly, 2 namono tena

Vokatry ny ady sy ny lozam-pifamoivoizana ary ny alikaola be loatra no tena betsaka.

Nihena raha ampitahaina tamin’ny salan’isa tamin’ny taona lasa ireo olona namoy ny ainy sy naiditra tao amin’ny HJRA tamin’ity fetin’ny faran’ny taona ity. Olona 5 no namoy ny ainy, ary 177 kosa no noraisin’ny tao amin’ny sampan mpamonjy voina teny an-toerana. Ny ankamaroan’izy ireo dia naratra vokatry ny ady teny an-dàlana, ny lozam-pifamoivoizana, ary ny fisotroana toaka diso tafahoatra. Raha ny tamin’ny 31 desambra dia nahatratra 129 ny isan’ny olona noraisina teny amin’ny HJRA. Ny 74 tamin’ireo dia vokatry ny ady eny an-dàlam-be. Nahatratra 22 kosa ny naratra vokatry ny lozam-pifamoivoizana. Rehefa nahazo ny fitsaboana sahaza azy avy moa dia afaka nody ireo narary ankoatra ny 24 izay tsy maintsy notazonina.

Raha ny andron’ny 1 janoary, hatramin’ny 4 ora folakandro indray dia 48 no olona noraisina ka ny 31 tamin’ireo no vokatry ny ady an-dàlam-be. Efatra kosa no vokatry ny lozam-pifamoivoizana. Tamin’ireo 48 noraisina dia 6 no tsy maintsy naiditra hopitaly fa ny sisa afaka namonjy fodiana.

Tamin’ireo toran’ny toaka kosa dia nahatratra 16 no noraisina teny amin’ny HJRA, ka ny 4 tamin’ireo no tsy maintsy mbola notazonina tao amin’ny hopitaly. Olona roa no namoy ny ainy tao amin’ny sampana famelomanaina, ary roa hafa kosa nanandrana namono tena,saingy tsy maty fa voavonjy ara-potoana.

Ankoatra ireo namoy ny ainy tao amin’ny sampana famelomanaina dia olona roa hafa ihany koa no maty ary nentina tao amin’ny tranompatin’ny HJRA, ka ny iray dia tovolahy 30 taona,izay matin’ny herinaratra teny Andavamamba, ary ny iray rangahy lehibe maty novonoin’ny jiolahy tao an-tranony teny Ambohimanarina. Nisy lehilahy iray hafa matin’ny toaka ihany koa hitan’ny olona teny amin’ny làlana  Ampasika.

Aina R.

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser