- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversFetin’ny manamboninahitra : ACMIL Antsirabe no niantombohany

Fetin’ny manamboninahitra : ACMIL Antsirabe no niantombohany

Natokana ho fetin’ny manamboninahitra ny datin’ny 12 janoary, saika manamarika izany avokoa rehefa manamboninahitra eto amin’ny Nosy, na aiza na aiza toerana misy azy. Tsy latsak’izany ny teto Antsirabe, teto rahateo no niaingan’io fankalazana io ara-tantara, hoy ny kaomandin’ny sekoly, ny Jeneraly Ramasy Razafindratovo Heritiana .

Raha tsiahivina fohy ny tantara,  ny 12 janoary 1966 no nidiran’ ny andiany voalohany nisalotra ny anarana Aina tao amin’ny Akademia. Herin-taona katroka taorian’io, ny 12 janoary 1967, no nanapa-kevitra ny sekoly fa natao tsy hianarana ny daty fa natokana ho fahatsiarovana ny nidirana tao. Nanomboka teo no nankalazaina ny daty fa ny taona 1970 kosa vao natokana ho fetin’ny manamboninahitra eto Madagasikara. Isan’ny nanatrika sy nanome voninahitra ny fotoana tao amin’ny ACMIL ny Ombimanga andiany mivantana voalohany, ny Jeneraly misotro ronono Ramandazafy Louis Arthur.

Hetsika maro no nanamarihana ny tontolo andro, isan’izany ny carnaval izay nataon’ireo mpianatra ho manamboninahitra, nanehoan’izy ireo ny hetahetam-pony mahakasika ny fiofanana rantoviny ao amin’ny sekoly. Misy rahateo ny fombafomba, na “tradition”, anatin’ny fotoana voafetra ka ireo manamboninahitra zandriny no mibaiko ny zokiny anatin’ny fifanajana. Ankaotra izay ny  fanolorana gisa na “ oie taradionnelle” ho an’ny lehiben’ny fari-piadidiana Miaramila eto Antsirabe.

Niara-nisalahy sy nanamarika ny fotaoana ny fianakaviamben’ny manamboninahitry ny akademia miaramila, ny sekoly manamboninahitra lefitra ( ENSOA) ary ny vondron’ny Zandarimariam-pirenena eto Antsirabe.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici