- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFetin’ny maty Toamasina : Ny alahady teo vao tena nanomboka izany…

Fetin’ny maty Toamasina : Ny alahady teo vao tena nanomboka izany…

Na efa tamin’ny alarobia 01 novambra teo aza ny fankalazana ny fetin’ny maty, dia alahady teo vao tena nanomboka izany teto Toamasina. Fety tsy manan-tsahala mantsy ny fetin’ny maty eto Toamasina noho izy ifankahitan’ny mpianakavy ela tsy nifankahita nandritra ny taona. Maro ny zava-mitranga mandritra izany, satria misy ireo fianakaviana manao fety be sy sakafo manokana mandritra izany, eo koa ny fanadiovana ny fasana sy ny manodidina azy, ary fanaingona azy amin’ny voninkazo. Ankoatra izany dia misy amin’ireo mankalaza ny fatin’ny maty no mitondra sakafo matsiro sy ireo sakafo tian’ilay maty fon’ny fahavelony. Rehefa lasa anefa ireo olona mpanao fetin’ny maty dia hangalarin’ireo olona manodidina, na mpiandry fasana izany. Ireo tera-tany sinoa monina eto Toamasina no mpanao izany eto Toamasina, ka eny amin’ny fasam-bahiny no tena hitrangan’izany matetika. Eo koa ireo mpangalatra manararaotra ireo mpanao « fete des morts », ka mangalatra ny fananan’izy ireo ka isan’ny lasibatra amin’izany ireo mpitondra « scooter » sy « booster » ary moto.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici