Ny sabotsy teo no nisafidian’ireo mpivarotra an’arivony eo anivon’ny bazary be Toamasina nanaovan’izy ireo fety ho azy ireo. Antony roa no nahatonga izao fetin’ny mpivarotra izao, voalohany, dia izay vao nanao ny fiarahana taorian’ny taom-baovao ireo mpivarotra rehetra, ny faharoa kosa dia fomban-drazana nataon’ireo mpivarotra noho ireo fahafatesana nifandimby teo amin’ireo naman’izy ireo. Nisy noho izany ny famonoana omby nataon’ireo mpivarotra ny sabotsy io teo ivelan’ny tsena izay nanaovana ilay fomban-drazana. Amin’ny maha-fety azy anefa, dia teo koa ny sakafo samy hafa sy ny zava-pisotro isan-karazany ka isan’izany ny zava-pisotro misy alikaola. Nizotra ara-dalana ny lanonana ny maraina sy ny antoandro, saingy nivadika ho ady kosa izany ny tolakandro raha niakatra ny alikaola teo amin’ireo mpivarotra sasany, izay nivoahan’ireo lolom-po samy hafa, sy ny fifampialonana misy eo amin’ny samy mpivarotra ihany koa, ary ny lonilony eo amin’ny komitin’ny tsena izay misahana ny fanaraha-maso ny ao Bazary be amin’ny fanidiana sy fanokafana izany isan’andro. Vokatra ireo rehetra ireo dia raikitra ny ady teo amin’ity komity ny tsena misahana ny fanaraha-maso ny bazary be sy ity mpivarotra iray ao amin’ity tsena ity, nisy ireo nijery fotsiny ny ady ka raikitra ny fifanomezan-tsiny samy hafa ny andaniny sy ny ankilany niady, teo kosa ireo niezaka nampisaraka azy ireo ka taorian’izany noho faharatrana teo amin’ny roa tonta, dia voatery nampidirina hopitaly nijerena ny ratra izy mirahalahy. Raha ny zava-misy aloha dia tena voa mafy ilay komity misahana ny fanaraha-maso ny tsena; andrasana ihany koa ny fandaminana ataon-dramatoa filohan’ny tsena sy ny ekipany mikasika izao raharaha izao, satria ahiahian’ny mpivarotra sasany hiitatra ny raharaha, noho ity naratra mafy milaza ny hitory ny fahavoazany ity.
Malala Didier