Ankoatra ny lozam-pifamoivoizana sy ireo adiady isan-karazany an-dalambe, izay mazana tsy misaraka amin’ny fety, dia nanao ny ataony ihany koa ny jiolahy, raha ny teto an-drenivohitra. Trangam-panafihana teo amin’ny 30 isa teo no voaray teo anivon’ny polisim-pirenena. Ny iray tamin’ny ireo no nitam-piadiana. Araka ny filazan’ny avy eo amin’ny Fibaikonana ny Emmo/Nat ny herinandro lasa teo dia hiara-mientana avokoa ireo olombelona rehetra eo anivon’ny mpitandro filaminana telo lafy amin’izao fetin’ny faran’ny taona izao, hitandroana ny filaminana sy hanaovan’ny Malagasy tsivakivolo fety am-pilaminana. Raha ny teto an-drenivohitra aloha dia azo lazaina fa na dia nanao ny ainy tsy ho zavatra aza ny teo anivon’ny polisim-pirenena, tsy nahasakana ireo mpanao ratsy sasantsany tsy hanantanteraka ny asa ratsiny. Araka ny antontan’isa nomen’izy ireo dia nisy trangam-panafihana mitam-piadiana iray voarain’izy ireo, ny sasakalin’ny krismasy teo, izay inoana fa ilay niseho tetsy Anosipatrana, nahalasibatra tanora mpanao asa soa. Ankoatra ireo, ny 24 sy 25 desambra teo dia nisy fitarainana mahakasika vaky trano niisa telo voaray. Trangam-pangalarana tsotra niisa sivy, halatra moto niisa roa. Tsy afa-misaraka amin’ny fivorian’olona maromaro rahateo ny resaka fanendahana. Tranga niisa 15 moa no voarain’ny polisy mahakasika izay. Nisy ihany koa ny fikasana hangalatra niisa roa. Tao anatin’izany rehetra izany dia voalazan’ny antontanisa hatrany fa nisy olona 69 voatery nosamborina sy nanokafana fanadihadiana mahakasika ireo tranga voalaza ireo sy ireo fandikan-dalana isan-karazany. Mahakasika lozam-pifamoivoizana teto an-drenivohitra dia azo lazaina fa somary nihena noho ny tamin’ny taon-dasa. Na izany na tsy izany dia nisy tamin’ireo no nahafatesana olona iray, ary naharatrana olona valo. Nisy tamin’ireo tranga lozam-pifamoivoizana ireo no vokatry ny fahamamoana teo am-pitondrana fiara. Ankoatra izay, olona telo no hita faty teto an-drenivohitra nandritra iny fetin’ny Noely iny ary nisy fahamaizan-trano iray, raha ny voalazan’ny antontanisa hatrany.
m.L