- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFetin’ny Noely teto an-drenivohitra : Efatra ny faty hita, 65 ny nosamborina

Fetin’ny Noely teto an-drenivohitra : Efatra ny faty hita, 65 ny nosamborina

Asan-jiolahy, fitondrana zava-mahadomelina, fahamamoana an-dalambe, … Nahatratra hatrany amin’ny 65 ireo olona voatery nosamborin’ny pôlisy raha ny teto an-drenivohitra manokana, nandritra iny sasakalina sy ny fetin’ny noely lasa teo iny, araka ny fampitam-baovao avy eo anivon’ny pôlisim-pirenena. Tetsy andanin’izay, nisy ihany koa ny fahitana vatana mangatsiaka tetsy sy teroa, izay nampandrenesana azy ireo. Tamin’iny fety iny dia nahatratra efatra ny isan’ireo olona hita faty teto an-drenivohitra. Tsy nitsahatra tokoa ny fisafoana nandritra ny faran’ny herinandro teo ho an’ny teo anivon’ny pôlisy. Raha ny voalaza dia mpitandro filaminana manodidina ny 2000 isa tany ho any no nahetsika manokana sy niasa nandritra ny fetin’ny noely 2023. Izany dia mba ahafahan’ireo vahoaka manao fety ao anaty filaminana. Nandritra ireo roa andro ireto dia voalaza fa ireo olona voatery nanaovana fanadihadiana manokana, noho ny antony maro samihafa no tena betsaka indrindra. Nahatratra hatramin’ny 30 tany ho any ny isan’izy ireo. Nanaraka ireto farany kosa ireo mamo an-dalambe, izay voatery ihany koa noraofin’ny pôlisy. Niisa 12 izy ireo. Teo ihany koa ireo mpanao sinto-mahery sy ny fanendahana, manararaotra ny fahabetsahan’ny olona, izay niisa 12 ihany koa. Olona efatra no nopaingoriny noho ny resaka halatra tsotra, iray kosa ho an’ny halatra mitondra fitaovam-piadiana. Iray ihany koa no voasambomtra tamin’ny resaka vaky trano ary miisa roa ireo nikasa hanao ny asa ratsy saingy voasoroka mialoha. Telo kosa ireo olona nahatraratrana zava-mahadomelina tany aminy. Eo amin’ny resaka lozam-pifamoivoizana, dia nahatratra efatra ny tranga nisy teo an-drenivohitra, ka ny telo tamin’izany no naharatrarana olona ary iray kosa nahasimbana fananana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici