- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversFetin’ny Pankekôty teto an-dRenivohitra : 13 ireo lozam-pifamoivoizana nitranga, 3 maty, 19...

Fetin’ny Pankekôty teto an-dRenivohitra : 13 ireo lozam-pifamoivoizana nitranga, 3 maty, 19 naratra

Pôlisy an’arivony mahery tany ho any no nahetsika tamin’izao  fety izao, hitandro ny filaminana sy ny fandaminana ny fifamoivoizana. Nandritra iny roa andro fetin’ny Pantekoty iny ary, araka ny fampitam-baovao avy tamin’ny pôlisim-pirenena dia azo lazaina fa « nihena ireo loza nitranga rehefa fety tahak’izao. Tena vitsy ihany koa ireo naratra sy ny maty nandritra izany fety izany, raha nampitahaina tamin’ny taon-dasa »

Na izany aza anefa, araka ny antontan’isa eo am-pelan-tanan’ny pôlisim-pirenena tonga taty aminay dia voalaza fa lozam-pifamoivoizana  13 no nitranga teo an-dRenivohitra, izay saika loza tsotra avokoa raha ny vaovao. Tao anatin’izany « loza tsotra »  araka ny filazan’izy ireo izay, dia nisy olona 19 no naratra vokatr’izay, izay samy nentina nihazo toeram-pitsaboana avokoa . Nanampy isa ireo loza tsotra ireo dia fantatra fa nisy lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona ary nitsoahan’ny mpamily nahavanon-doza  roa karazana teo an-dRenivohitra. Olona roa no voalaza teto, araka ny tati-baovao hatrany fa namoy ny ainy. Ity farany moa raha tsy tsiahivina kely, dia ilay nitranga tetsy By pass, ka namoizana renim-pianakaviana iray sy ny zanany vavy vao sivy taona monja. Nitsoaka ny mpamilin’ilay fiara, izay voalaza fa taxibe « sprinter » ary tsy mbola tsy hita hatramin’izao. Nambaran’ny loharanom-baovao hatrany, fa « tao anatin’ireo loza nitranga ireo dia tsara ny manamarika fa tsy nisy ny loza nitranga vokatry ny fahamamoan’ny mpitondra fiarakodia sy ny mpampiasa lalana tamin’ity taona ity ». Fa ambonin’ireo lozam-pifamoivoizana marobe ireo dia fantatra ihany koa fa nitrangana halatra tsotra  roa tamin’iny fety lasa iny. Môtô roa ihany koa no very, ary trangana sinto-mahery  valo. Dimy no voamariky ny avy ao amin’ny pôlisim-pirenena fa namoy ny ainy ka ny telo tamin’ireo no olona vory saina ary ny roa tamin’izany kosa dia zaza rano nisy nanary. Manentana hatrany ny eo anivon’ny pôlisim-pirenena , indrindra fa amin’izao an-katoky ny Asaramanitra izao ny mba hisian’ny fiaraha-miasa eo amin’ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana. Ny fampilazàna azy ireo avy hatrany raha toa ka misy olona na tranga mampiahiahy eny anivon’ny fiarahamonina eny.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici