Araka ny tatitra azonay teny amin’ny hôpitalin’ny Hjra tetsy Ampefiloha, dia nahatratra 85 ireo olona voatery niditra teny amin’ny sampana vonjitaitra. Ny 22 tamin’izao dia vokatry ny lozam-pifamoivoizana avokoa, teto an-drenivohitra sy ny manodidina. Tsy nisy kosa ny namoy ny ainy raha ny alahadin’ny pantekoty teo. Tatitra hatramin’ny alatsinainy vao maraina io mantsy, raha ny fantatra. Mbola tsy voaray kosa, raha ny mikasika ny tontolo andron’ny omaly. Saingy azo heverina fa mbola mihoatra an’io, raha tsy hiteny fotsiny afa-tsy ireo lozam-pifamoivoizana goavana niseho tamin’iny lalam-pirenena fahafito iny, izay nahafatesana olona mihitsy.
m.L