- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversFetin’ny pasaka : Olona 217 no nentina tao amin’ny HJRA nandritra ny...

Fetin’ny pasaka : Olona 217 no nentina tao amin’ny HJRA nandritra ny andro fety

Mavesabetra ihany ny tarahimarika fantatra raha mikasika ny loza nandritra ny fetin’ny paska no lazaina. Fantatra mantsy fa nahatratra 5 ireo olona namoy ny ainy ary 217 ireo maratra nandalo hopitaly Ampefiloha. Ho an’Antananarivo manokana  ireo, fa raha ny manerana ny faritra maro, voalaza fa mahery ny folo ny olona nindaosin’ny fahafatesana.

Mitana ny laharana voalohany hatrany ny lozam-pifamoivoizana. Nahatratra 54 ireo olona izay naratra ka nentina tao amin’ny sampana vonjy aina tao amin’ny Hjra tanatin’ny roa andron’ny fetin’ny Paska. Nanaraka izany ny ratra noho ny loza nitranga tao an-trano. Tsy vitsy ihany koa ny olona izay naratra an-dalambe izay matetika dia noho ny adiady no anton’izany. Nisy naiditra hopitaly tamin’ireo 14 izay notsaboina tao amin’ny hopitaly. Tao anatin’izay rehetra izay dia nisy olona iray namoy ny ainy. Izy io dia efa maty tamin’ny fotoana nahatongavany tao amin’ny toeram-pitsaboana ary ahiana ho fahatapahana lalandrà raha araka ny fanazavana, no anton’izany. Nihena kely io tarehimarika io raha oharina ny isa tamin’ny herintaona izay nahatratra 275 sy fahafatesana iray. Na izany aza anefa dia tsikaritra  no tao anatin’ny roa taona fa mitovitovy hatrany ny antony mitarika loza ho an’ny mpanao fety : ny lozam-pifamoivoizana sy ny adiady an-dalambe. Ny hamamoana no isan’ny antony mitarika an’ireo antony roa ireo. Omaly dia nisy tovolahy iray  voatifitra, efa tamin’ny 17 martsa lasa teo, tany amin’ny faritany ary nentina niakatra teto an-drenivohitra noho ny fiombon’ny aretina vokatr’izany. Teo amin’ny sandriny sy ny tratrany havia no tena voa mafy noho ny piti-bala. Nihombo ny aretiny ary atahorana ny hahazo ny vatany iray manontolo. Nanapa-kevitra ny nitondra azy niakatra aty an-drenivohitra ny fianakaviany mba ho fanavotana ny ainy. Naiditra hopitaly tao amin’ny Hjra ity tovolahy 16 taona ity.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici