- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversFetin’ny Paska : 44 no olona nosamborina teto Analamanga

Fetin’ny Paska : 44 no olona nosamborina teto Analamanga

Polisy maherin’ny 2500 no nahetsika teo amin’ny faritra Analamanga nandritra iny roa andro, nankalazana ny fetin’ny paska iny, raha ny tatitra azo avy amin’ny pôlisim-pirenena. Azo lazaina fa nilamina izany fankalazana izany tamin’ity taona ity, eny fa na dia eo ihany aza ireo tsy maintsy mioha-pefy, nandraisana fepetra henjena. Raha ny voarakitra dia miisa 44 ireo olona voatery nosamborina, vokatry ny fandikan-dalàna maro isan-karazany teny amin’ny fiaraha-monina teny. 

Amin’ny andro fety tahak’izao tokoa mantsy dia anisan’ny fotoana iray fanararaotan’ireo olon-dratsy. Nandritra ireo roa andro : ny alahadin’ny paska sy ny alatsinain’ny paska teo dia fantatra fa nisy trangana fanafihana tokatrano nitam-piadiana iray, vaky trano tsotra miia efatra, sinto-mahery miisa telo ary halatra tsotra am-polony. Raha mikasika ilay fanafihana mitam-piadiana dia nihatra tamina tokatrano iray tetsy Andranomena ny alin’ny alahady lasa teo. Telolahy ireo no nanao amboletra niditra tao amin’io tokatrano io, nanambana fitaovam-piadiana. Lasa ny finday, solosaina ary vola dimy hetsy sy iray tapitrisa ariary. Efa eny am-pelantan’ny mpitandro filaminana moa ny raharaha ary efa mandeha ny fikarohana azy ireo.

Iaraha-mahalala ihany koa fa ny fety dia tsy hialàna zava-pisotro misy alikaola. Ary na dia eo aza ny fanentanana maro isan-karazany ataon’ireo tompon’andraikitra ny amin’ny tsy tokony handraisana familiana rehefa mamo dia mbola ireo manao beloha. Vokany, saika ny antsasa-manilan’ny lozam-pifamoivoizana nitranga nandritra iny fety teto Analamanga dia vokatry ny fahamamoana avokoa. 22 ireo tranga nisy hoy ny pôlisy, izay namoizana ain’olona miisa telo sy nandratrana olona nahatratra 19.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici