Azo lazaina ho tsy nandry andro tsy nandry alina ireo mpitsabo tetsy amin’ny sampana vonjy aina eo anivon’ny Hôpitaly Joseph Ravoahangy-Andrianavalona (HJRA), toerana izay natokana handraisana ireo niharam-boina rehefa fety toy ny Paska izay nakalazaina ny faran’ny herinandro iny. Maro dia maro tokoa ireo niharan-doza niditra teny an-toerana nandritra iny fety iny raha nahatra 109 izany ny Alahady 16 aprily mandra-mariana ka 22 tamin’ireo no tsy maintsy naiditra hopitaly. Nanodidina ny 60 kosa ny Alatsinainy hatramin’ny 5 ora teo ho eo ary 13 no tsy maintsy notazonina mba haraha-maso akaiky.
Raha teo amin’ny fahafatesana indray, tsy latsaky ny folo no niditra tao amin’ny tranom-paty ny Alahady sy ny Alatsinainy raha ny tranga hita tao amin’ity hopitaly ity, hatramin’ny omaly tamin’ny dimy ora hariva. Telo vokatry ny lozam-pifamoivoizana, ka ny iray voadonan’ny fiara teny an-dalambe, ny iray tapaka lalan-drà tampoka, ary iray navadiky ny fiarakodia tany amin’ny RN1. 5 izay mbola tsy fantatra ny fianakaviany, dia hiverina fa maty vokatry ny fisotroan-toaka ka vehivavy 27 taona ny iray. Iray namono tena nihinana fanafody famonona bibikely.
Amin’ny ankapobeny dia saika vokatry ny adiady sy ny fisotroan-toaka (56) ny ankamaroan’ireo marary tonga tao amin’ity hopitaly ity ankoatry ny ny lozam-pifaoivoizana izay nahatra 16 , raha ny alahady fotsiny. Teo ihany koa ireo vokatry ny fihapoizinan’ny sakafo sy ny fikasana hamono tena izay tsy dia nisy firy loatra tamin’ity indray mitoraka ity. Tsy nisy kosa anefa ny trangana fihapoizinan’ny sakafo faobe izay mateti-pitranga amin’ny fety aman-danonana raha ny fanazavan’ny Talen’ny HJRA, Pr Rakoto Alson Olivat.
Nambaran’ity tompon’andraikitra ity fa azo lazaina ho nihena ny isan’ny olona niditra teny amin’ny HJRA raha mihoatra ny tamin’ny taona 2016. Fihenana izay hiverina fa mety ho vokatry ny fitandreman’ny olona noho ireny fanentanana maro sy ny fanamafisana ny fitandroana ny filaminana sy ny fifamoivoizana nataon’ireo polisim-pirenena sy ny zandarimariam-pirenena nialoha, nandritra, taorian’ny fety ireny. Antotan’isa vonjimaika ihany anefa iny fa mbola tsy fantatra izay ho fivoaran’izany satria mbola eo ny fiafaran’ny tolakandro, ora fodian’ireo mpitsangantsangana.
T.M.