- Publicité SW45 -
vendredi, septembre 20, 2024
AccueilFaits-DiversFetin’ny Paska Antsirabe : Maro ny lozam-pifamoivoizana, 2 maty 29 nandalo hopitaly

Fetin’ny Paska Antsirabe : Maro ny lozam-pifamoivoizana, 2 maty 29 nandalo hopitaly

29 naratra nandalo tao amin’ny hopitaly CHRR Antsirabe, roa tamin’ireo no voalaza fa maty. 9 kosa no naratra vokatry ny herisetra niniana natao ary 5 tsy nahatsiaro tena. Vokatry ny fisotroana diso fatahoatra avokoa no nahatonga ireo loza voalaza rehetra ireo.Io no tarehimarika voaray teo anivon’ny polisim-pirenena niampy ny fanampim-baovao avy tamin’ny hopitaly atsimo nandritra ny fankalaza ny fetin’ny Paska teto Antsirabe.

Nihena ny loza mpitranga ho an’ny hopitaly atsimo Antsirabe raha ampitahaina tamin’ny taona lasa hoy ny lehiben’ny hopitaly, dokotera Andrinivoson Hery raha nitafa taminay.

Na izany aza dia nahazo laka kosa ny lozam-pifamoivoizana teto an-tampon-tanana Antsirabe, manamarina izany ny tarehimarika  voalaza etsy ambony. Isan’ireo loza nahatsiravina niseho ny tranga teo anoloan’ireo mpivarotra sy mpijery fampisehoana nanoloana ny kaominina. Fiara 205 iray mantsy  no nirimorimo nandona sy nandrava fivarotana maro rehefa avy nandona fianakaviana telo mianaka nandeha moto. Tezitra mafy ireo vahoaka nahita ny zava niseho ka niharan’ny fitsaram-bahoaka ilay fiara ary potika tanteraka. Nitsoaka nandositra ilay mpamily izay voalaza fa mamo ka nifanenjehan’ny olona,  soa ihany fa ny polisy no nahazo azy voalohany fa raha tsy izay dia asa izay zavaniseho. Soa aloha fa tsy nisy ny aina nafoy tamin’ity loza ty.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser