- Publicité SW45 -
samedi, juillet 27, 2024
AccueilFaits-DiversFetin’ny Paska : Olona dimy namoy ny ainy, 307 nandalo teny amin’ny...

Fetin’ny Paska : Olona dimy namoy ny ainy, 307 nandalo teny amin’ny hopitaly

Loza maro samy hafa no nahafaty olona tamin’ny fetin’ny paska teo. Ny maro dia vokatry ny fisotroana be loatra

Fantatra araka ny vaovao voaray teny anivon’ny hopitaly sy teny amin’ny sakelidalana samy hafa fa tafakatra dimy ny olona namoy ny ainy tamin’iny fetin’ny paska iny. Antony vitsivitsy no nahatonga izany. Tao ireo loza tsy nampoizina, toy ny fahafatesana tany anaty rano. Omaly folakandro, nisy lehilahy iray voalazan’ny nahita, fa efa mamo, latsaka teny amin’ny ranon’Ikopa, tsy lavitra ny tetezana ho any Ambohimanambola eny amin’ny By pass. Nahazo filazana ny mpamonjy voina ary rehefa tonga teny ry zareo dia hita ilay olona.Ireo olona fantatra fa namoy ny ainy tamin’iny fety iny dia ao ireo voalaza fa namono tena. Efa nisy ny nentina teny amin’ny HJRA ary avotra soa aman-tsara ihany. Nisy kosa anefa ireo latsaka teny an-dalana.   Ankoatra izany, nisy koa ny fanapoizinana ara-tsakafo izay namparary olona valo. Rehefa nahazo, fitsaboana anefa ireo dia afaka namonjy fodiana. Fa ny tena angano tamin’ity pasaka ity dia ny nahita olona matin’ny toaka. Maro ireo nentin’ny fianakaviany teny amin’ny hopitaly ary dia nisy ny avotra. Ny roa tamin’izy ireo kosa no voalaza fa maty. Tsy vitan’izany, nisy koa ny olona nikasa ny hamono tena. Telo no isany hita teny amin’ny hopitaly. Izay tsy tonga teny koa dia tsy fantatra.

Ireo antonanisa ireo dia nanomboka tamin’ny sabotsy teo. Tamin’ny andron’ io, 122 no naiditra hopitaly; Ny alahady tafakatra 125 izany. Somary nihena kely anefa ny alahady fa 60 ihany ireo nandalo hopitaly. Ity tarehimarika farany ity dia azo tamin’ny fiandoan’ny folakandro. Izay taorian’izany, tsy fantatra. Eny an-dalana hody mantsy ny ankamaroan’ny mpitsangatsangana. Tamin’izany no nandrenesana fa nisy “manège” iray nirodana, teny amin’ny faritry ny By Pass. Maro ireo naratra ary nisy aza ny loharanom-baovao niteny fa nisy maty. Tsy voamarina anefa izany. Ny hany fantatra dia efa maizina ny andro vao niseho tiy loza ity.

Nangonin’I r.s.

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser