Fotoana iray fanararaotan’ny mpanao ratsy ny fisian’ny olona mivorivory sy ireo karazam-pety aman-danonana isan-karazany. Nandritry ny fetin’ny Paska lasa teo, niaraka tamin’iny faran’ny herinandro lavalava tsy niasàna, nisian’ny fahatsiarovan’ny 29 martsa iny dia tsy mandry andro tsy mandry alina ireo mpitandro filaminana, niezaka nisoroka ireo karazana asa ratsy nisy. Raha ny antontanisa navoakan’ny teo anivon’ny pôlisim-pirenana dia pôlisy hatrany amin’ny 1250 isa tany ho any no nahetsika raha ny teto an-drenivohitra manokana sy tao anatin’ny faritra Analamanga, nanomboka ny 29 martsa lasa teo ka hatramin’ny alatsinain’ny paka. Tao anatin’izany hetsika manokana izany, tafakatra 159 isa ireo olona voasambotry ny pôlisy nanao fandikan-dalàna. « Iray no nanao fanafihana mitam-piadiana ka nampiasa zava-maranitra, 5 no tratra namaky trano, 21 ireo tratra nanao sinto-mahery sy fanendahana, Halatra tsotra miisa 19 ary ireo saika hanatanteraka halatra miisa roa, 28 kosa no isan’ireo olona tratra nitondra sy nandray zava-mahadomelina, ary 25 no isan’ireo mamo an-dalambe ka tsy maintsy noraisin’ny polisy ny fepetra tamin’izy ireo » Ankoatr’ireo, razana miisa telo no hita teto an-drenivohitra : olona namono tena tamin’ny antsy tetsy Besarety, maty an-drano tetsy Ikopa ary olona maty tsy fantatra antony tetsy Isotry. Ho an’ny lozam-pifamoivoizana dia voalazan’ny antontanisan’ny pôlisy hatrany fa nahatratra hatrany amin’ny 18 ireo tranga voarain’izy ireo. Ny iray tamin’izany ihany no nahafatesana olona ary ny 12 tamin’ireo naharatrana olona 21. Raha ny voalaza dia saika fifamamoana teo am-pamaliana ny ankabeazan’ireo tranga nahatonga lozam-pifamoivoizana ireo.
m.L