Azo lazaina fa tratra ny tanjona ho an’ny pôlisim-pirenena. Raha ny tazana ny alahady sy alatsinain’ny Paska teo tokoa, dia rakotra pôlisy teto Andrenivohitra sy tamin’ireo toerana maro nandehan’ny olona nitsangantsangana. « Nahavita ny fetin’ny Paska am-pilaminana ny rehetra amin’ny ankapobeny na dia teo aza ireo fandikan-dalana nitranga ka tsy maintsy nandraisan’ny Polisy fepetra » hoy ny vaovao azo. Tao anatin’izany fandikan-dalàna izany, dia fantatra nahatratra 75 ireo tranga halatra voarakitra an-tsoratra, ka anisan’izany vaky trano, ny halatra tsotra. Ny resaka sinto-mahery sy ny fanendahana no tena betsaka indrindra ,hoy hatrany ny vaovao. Tamin’ireo lozam-pifamoivoizana nahatratra 17 izay tsy maintsy nidiran’ny pôlisy an-tsehatra kosa dia voalaza fa ny telo tamin’ireo dia noho ny familiana am-pahamamoana avokoa. Razana iray kosa no hita nandritra iny fetin’ny Paska iny. Izay, raha ny teto Andrenivohitra. Ny tany Mahajanga kosa, izay toerana isan’ny be olona indrindra dia fantatra fa trangana lozam-pifamoivoizana 11 no tsy maintsy nidiran’ny pôlisy an-tsehatra, ka ny iray tamin’ireo no nisy fitsoahan-keloka ary ny telo dia mamo nitondra fiara. Mpivarotra rongony iray no voasambotra, olona telo, mamo an-dalambe no tsy maintsy nandraisana fepetra, ary trangana fanendahana enina no voarakitra an-tsoratra.
m.L